Aller au contenu

Kaopy

Avy amin'i Wikipedia
Kaopy eo ambonin' ny fitoerany

Ny kaopy dia fitaovan-dakozia fitoeran-javatra, manam-bavany, kely, misy sofiny iray, ampiasaina hasiana ranon-javatra haidina na hosotroina, indrindra ny mafana. Na dia ampiasaina indrindra amin' ny fisotroana aza izy io, dia azo ampiasaina amin' ny fitehirizana ireo zavatra mivaingana azo arotsaka (ohatra: siramamy, koba, voa, sira). Mety vita amin' ny vera, metaly, bakoly, tanimanga, hazo, vato, taolana, pôlistirena, plastika, viraty, na akora hafa ny kaopy. Ampiasaina amin' ny fanalana hetaheta ao amin' ny kolontsaina sy ny saranga sôsialy samihafa ny kaopy. Misy karazany samihafa dia azo ampiasaina amin' ny karazana ranon-javatra samihafa na sakafo hafa ny kaopy (kafe, dite, sôkôla, ronono, tambavy, sns.), amin' ny toe-javatra samihafa (ohatra eo amin' ny tobin-drano na amin' ny lanonana sy fombafomba), na atao haingo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]