Aller au contenu

Bengaly (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy bengaly

Ny Bengaly no foko lehibe indrindra ao amin' ny faritr' i Bengal, izay mitsinjara amin' i Bangladesy sy i India. Miteny bengaly ny ankamaroan' izy ireo. Izy ireo no maro anisa ao Bangladesy sy ao amin' ny Fanjakan' i Bengal Andrefana ary ao Tripura any India. Miisa 150 tapitrisa eo ho eo ao Bangladesy izy ireo, ary 70 tapitrisa any India, telo tapitrisa any Pakistàna ary foko vitsy anisa ao Arabia Saodita sy Emirata Arabo Mitambatra.

Ny Bengaly manaraka ny finoana silamo dia monina indrindra ao Bangladesy, izay misy azy ireo maherin' ny 80 % amin' ny mponina, ireo izay manaraka ny finoana hindo kosa dia monina indrindra any India, indrindra fa any Bengal Andrefana. Amin' ny fitambaran' ny Bengaly dia manodidina ny 65 % ​​no Mozilmana, ny 34 % no Hindo, ary latsaky ny 1 % ny manaraka finoana samihafa (anisan' izany ny Kristiana). Ao Bangladesy, 11 hartamin' ny 15 % monja amin' ny mponina no Hindo.

Tamin' ny taona 2020 dia Bengaly 80 tapitrisa no Hindo, ary manodidina ny 64 tapitrisa no monina any India, ary manodidina ny 15 tapitrisa any Bangladesy. Ny Bengaly 158 tapitrisa no Mozilmana, ary 134 tapitrisa eo ho eo no monina ao Bangladesy, 20,5 tapitrisa eo ho eo any India, ary telo tapitrisa eo ho eo any Pakistàna. Manodidina ny 2,5 tapitrisa ny Bengaly manaraka finoana hafa (ny ankamaroany dia Kristiana, ary ny ambiny dia Bodista).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]